Zafera Namaloza Ulrich dit Zazah

Zafera Namaloza Ulrich dit Zazah

Share

Morondavan-tsika Mandroso

01/01/2026

Manao Salamanga voho Nahoa Magnitse antsika iaby , nahatratse gny Taom-baovao 2026 zao 🎉✨

Mirary gny soa ho antsika iaby , ho tao mirindra voho feno ny fahasoava avy amin’andrianagnahary loloavin-tsika.

Andrianagnahary voho gny Raza anie hitahy , hiaro antsika mandrakariva, loniky mba ho tao feno fahombiaza , haravoa , fahasalamaha , fanantena, intoy taombao intoy 🙏🌟

Loniky tsy hagnay iaby tsika morofoko voho gny avorohota iaby amy toy tao toy 🙏

13/12/2025

Miarahaba am-pitiavana ny vahoakan’i Morondava Ambonivohitra tsy ankanavaka ny tenako.

Herintaona izay no nandraisan’ny vahoaka anjara tamin’ny fifidianana ny Ben’ny Tanàna. Ankehitriny anefa, mivoaka amin’ny fahanginako aho manoloana ny zava-misy mampanahy izay mampiditra an'i tananan-tsika toy ny ao anatiny tsy fanarahan-dalana tanteraka, eo aminy fifidianana ny Filoha ny Filankevitra Monisipaly.

Marihina fa efa nisy Délibération navoakan’ny Filankevitra Monisipaly tany am-piandohan’ny volana Aogositra, saingy tsy nahazo “contrôle de légalité” avy any aminy Prefektiora , ary tsy nisy fanazavana ofisialy nomena raha tsy 125 andro taty aoriana .Izany dia mahakasika manokana ny fifidianana sy ny firafitry ny Birao vaovao, ka tamin’izany fotoana izany dia Conseillers 8 no nandany.

Ankehitriny kosa, Conseillers 3 monja amin’ny 13 no nandany ny Filoha ny Filankevitra Monisipaly. Na dia ampidirina aza ireo 3 lazaina ho procuration, izay tsy naseho mazava no sady misy daty tsy mifanandrify, dia tsy manome antoka ara-dalàna izany dingana izany.

Manoloana izany rehetra izany, manohitra tanteraka ny fanapahan-kevitra natao an-tery sy tsy ara-dalàna ny tenako. Miantso am-panajana ireo manampahefana mahefa aho mba hijery ity raharaha ity amin’ny fo tsy miangatra sy tsy mitanila.

Tsy tokony ho olombitsy no mametraka ny hoavin’ny tanàna, satria tanàna iombonana i Morondava. Ny tanjona dia ny hanasoavana ny vahoaka sy ny tanàna, fa tsy ny tombotsoan’olona vitsy.

Misaotry, voho manao Mahavelo Bevata ho an-tsika iaby, ho samby tahian’ny Magnitse voho maro basia iaby tsika iaby 🙏

17/10/2025

Izahay PRO ZAZAH dia maneho ny fiarahabana sy firariantsoa feno ho an'ny Kolonely RANDRIANIRINA Mickael , Filohan'ny Andrim-panjakana noho ny fanendrena sy andraikitra vaovao notendrena taminy .

Mirary fahombiazana , fahendrena ary fahasalamana ho azy amin'ny fanatanterahana ny adidy masina ho an'ny firenena sy ny vahoaka Malagasy .

01/01/2025

Miarahaba ny vahoakan'ny MORONDAVA manontolo nahatratra ny taona 2025 .

Enganie hitondra soa sy mamy ho antsika anie ity taona vaovao ity.
Koa dia mirary ny tsara ho antsika hatrany ary samy ho tahian'ny Tompo iaby .

25/12/2024

Miarahaba ny vahoakan'ny MORONDAVA tsy ankanavaka amin'izao akatrokin'ny KRISMASY izao .
Enganie ka ho KRISMASY feno FITIAVANA sy FAHASAMBARANA ho antsika sy ny fianakavian-tsika tsirairay avy .
Ho tahian'andriamanitra mandrakariva ary samy ho tratry ny TAONA 2025 avy .

Want your business to be the top-listed Accountant in Morondava?

Click here to claim your Sponsored Listing.

Location

Website

Address

Morondava
619